Anio no voalaza fa hanambaran’ny amiraly Didier Ratsiraka ny heviny momba ny raharaham-pirenena, rehefa tsy re feo nandritra ny volana maromaro izy. Tafiditra tao anatin’ny lisitry ny kandida voahilika ity filoha teo aloha ity.
Izy dia manizingizina fa tokony atao aloha ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo filohan’ny ankolafy 4, alefa mivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakana izany ho hitan’ny vahoaka, avy eo itarina io fihaonana an-tampony io. Mandritra izany no hanambarako ny sosokevitro roa na telo mba hamahana ny krizy, hoy i Deba. Efa manao endrikendrika fampihaonana an-tampony ny dinika fampihavanana ataon’ny FFKM. Hita ho mihisatra ihany anefa izy ity, ary hatreto aloha dia tahaka ny mbola nofinofy izany hoe hampihaona ireo filohan’ny ankolafy efatra dia Atoa isany Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy ary Rajoelina eto Madagasikara izany. Izay ny amin’iny fa tombanan’ny maro fa dia hilaza ny tena heviny momba ny fifidianana i Didier Ratsiraka, ary raha ny vinavina tetsy sy teroa hatry ny omaly alina dia mety tsy hankasitraka io fifidianana io, tahaka an’i Marc Ravalomanana sy ny Pr Zafy Albert, i Didier Ratsiraka.
Lôjika politika tsy tokony hahagaga io, taorian’ny nanesorana azy tao anatin’ny lisitra. Hatrizay rahateo dia tsy dia maika loatra tamin’izany fifidianana izany ny amiraly fa ilay fihaonana an-tampony eto Madagasikara, alefa mivantana amin’ny RNM sy ny TVM ka hanolorany ny sosokeviny ihany aloha ny azy. Efa tena nasiaka sy tsy nitsitsy fitenenana momba ny tsy fahaiza-mitantana sy ny kitoatoa anatin’izao tetezamita izao i Didier Ratsiraka tamin’ny fanehoan-keviny farany, ka asa indray izay hataony amin’ity anio ity. Tsara homarihana ihany koa fa efa nifampiresaka an-telefaonina maharitra Atoa isany, Didier Ratsiraka, Albert Zafy ary Marc Ravalomanana raha araka ny filazan’ity farany. Nandeha ihany koa ny siosion-dresaka fa hanambatra indray ny heriny mba hanoherana ny fanaovana fifidianana tsy hivoahan’ny tena safidin’ny Malagasy akory ny ankolafy telo, ka ho hita eo izay hambaran’i Deba fa dia hanongilan-tsofina aminy ny mpanara-baovao anio alina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.