Politique

Didier Radert «Ny TIM Ravalomanana no niofo ho Zanak’i Dada»


  • Talata 21 Mey 2013

Niteraka resabe ho an’ny mpitolona ao Antsirabe ny fitsanganan’ny antoko Zanak’i Dada. Niezaka nitondra fanazavana mahakasika izay ny CT Radert Didier.

 Nambarany fa tsy midika ho fisarahana ny fitsanganan’ny antoko Zanak’i Dada fa ny hamondronana ny hery aza no tokony hatao amin’izao fotoana. Efa niaraha-nahalala, hoy izy fa noravana ny TIM Ravalomanana noho ny antony nataon’ny Minisiteran’ny Atitany satria nomeny an-dRaharinaivo Andrianatoandro ny TIM izay novain’ity farany ho FITIM mba hamitahana sy hisintonana ireo TIM Ravalomanana mba hanohanana ny kandidà Ny Rado Rafalimanana. Noho izany ny rafitra rehetra dia izay mbola tao anatin’ny antoko TIM Ravalomanana no nivadika avy hatrany ao anatin’ny antoko Zanak’i Dada. Araka izany dia raharahan-tokantranon’ny TIM teo aloha no antony nananganana ny antoko Zanak’i Dada izay vao natsangana ka tsy misy hidiran’ny resaka mangarahara na tsia satria ireo mpikambana tany amin’ny fototra no nifidy ny Birao izay toy ny fanavaozana ihany aloha satria tsy mbola kongersy akory no natao. Miteraka olana ho an’ireo tsy mpikambana TIM ao Antsirabe izany ka noheverin’izy ireo fa fikambanana efa nisy ny Zanak’i Dada ka noraisiny ho fanilihana ny sasany izany, izay nahatonga ny sasany nisendaotra. Raha ny fanazavana ihany dia iray amin’ireo antoko ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana ny Antoko Zanak’i Dada izay miaraka amin’ny antoko MFM, ny TEZA, ny AMF3FM, sy ireo maro hafa miaraka aminy.


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT