Politique

Didier Radert Hafa ihany ny fomba fiasan’ny filoha Ravalomanana


  • Alahady 06 Aprily 2014

«Mahatsiaro tanteraka ny fomba fiasan’ny filoha Ravalomanana ny olona manoloana ny fitavozavozana ataon’ny filoham-pirenena amin’izao fotoana», hoy Atoa Didier Radert manoloana ny fahelan’ity fanendrena Praiminisitra ity.

 Tsy fantatra intsony na ny tsindry avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena na ny mpanao politika no tena atahoran’i Hery Rajaonarimampianina, hoy izy. Ny an’ny Frantsay anefa ao anatin’ny 48 ora dia mahatendry Praiminisitra ary mahatsangana governemanta. Raha tena mahatsapa fa voafidim-bahoaka tamin’ny fomba demokratika ny filoha dia tsy tokony hatahotra ny mpanao politika amin’ny fanendrena olona satria tokony hanana ny vahoaka ao an-damosiny izy, saingy toa tsy izany no zava-misy, hoy hatrany ity mpanao politika ity. Raha efa nisy governemanta angamba nialoha ny fihaonany tany ivelany dia azo antoka fa efa nazava ny fiaraha-miasa rehetra tamin’ireo firenen-dehibe ireo. Mbola hafa ny fandraisan’ny filoha Ravalomanana fanapahan-kevitra rehefa fantany fa hitondra soa ho an’ny vahoaka izany. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT