Politique

Diaben’ny « îles éparses » Tsy azo atao, hoy ny prefektiora


  • Alakamisy 07 Janoary 2016

Nolavin’ny prefektioran’ny polisy ny fikasan’ny hetsika malagasy miaro ireo nosy malagasy hanao filaharam-be ny sabotsy ho avy izao.

 

 Nikasa ny hanao diabe miainga eny Ambohijatovo, mandalo an’Analakely ary mifarana eny amin’ny masoivohon’ny Frantsa eny Ambatomena mantsy ireo mitaky ny famerenana amin’i Madagasikara ny « iles éparses » izay ahitana fikambanana folo mahery ankehitriny.Tsy mbola nisy fampahafantarana ny fisian’ny hetsika avy eny amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra tompon’ny toerana araka ny fanazavana nomen’ Atoa Rafidison Fidèle, lefitra voalohan’ny prefektioran’ny polisy satria izay no lalàna tokony hizoran’ny fangatahana hanao fihetsiketsehana saingy « efa azoko ambara sahady fa ny prefektiora dia mandrara aloha hatramin’izao ny karazana hetsika an-dalam-be rehetra mety hanohintohina ny fifamoivoizana sy ny filamin’ny tanàna . Fanapahan-kevitra efa noraisina talohan’ny fisian’izao fikasana hanao fihetseketsehana izao izany fanapahan-kevitra izany ary tsy mbola foana » raha araka ny fanazavan’ity administratera sivily ity ihany tao amin’ny onjam-peo tsy miankina iray eto an-drenivohitra. Efa nampoizina rahateo izany fandavan’ny prefektioran’ny polisy izay fa izay antony narosony kosa dia ilay hoe fiarovana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana no somary nahatsikaiky. Toy ny hoe tsy nisy mihitsy izay fitohanana izay raha tsy hidina an-dalam-be ny mpitaky ny « îles éparses ».

Tsy hihemotra

Omaly ihany koa anefa dia efa azo ny valin-kafatra avy amin’Atoa Rajaonah Andrianjaka, filohan’ny Otrikafo anisan’ny mpitarika ny hetsika. Nanamafy ity mpanao politika ity fa tsy hihemotra amin’izay mety tsy ho fahazahoan-dalàna avy amin’ny prefektioran’ny polisy hanao fidinana an-dalam-be. Manamafy noho izany izy ireo fa tsy maintsy hisy io hetsika io . Raha nanontanina ny amin’ny mety ho fialàna an-daharan’Atoa Ramaroson Alain filohan’ny antoko Masters amin’ny hetsika ny filohan’ny Otrikafo, dia nanambara ny tenany fa tsy hampiova ny hafanam-pon’ny olona izany. Vao mainka aza hoy ny nambarany hamparisika ireo olona izay tsy dia resy lahatra amin’ny fomba famindran’iny mpanao politika iray iny ny tsy fidirany an-tsehatra intsony. Hafampana indray izany eny Ambohijatovo sy ny manodidina eny amin’ny sabotsy satria tsy maintsy hifanehitra indray ny Emmo reg sy ny mpidina an-dalambe.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT