Politique

Diaben’ny Fahafahana 21 taona lasa izay...


  • Zoma 10 Aogositra 2012

21 taona lasa izay ny 10 aogositra 1991, nitrangan’ny “Diaben’ny Fahafahana”, nampalaza ny tolon’ny Hery Velona Rasalama ary nitarika ny firodanan’ny Repoblika faharoa.

 Teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey no nitolomana, teo no natao ny filaharana, teo no natao ny kabary rehetra. Teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey no nifanome fotoana ireo mpiara-mitolona, ka anisan’ireo mpanao politika nitarika ny vahoaka tamin’izany Atoa isany Richard Andriamanjato, Zafy Albert, Alain Ramaroson, Daniel Ramaromisa, ny jeneraly Rakotoarison Jean na Voaibe, ireo no tena fantatra sy nalaza fa mbola maro be ireo mpanao politika tao anatin’ny Hery Velona. Vao maraina dia efa tomefy olona teny Analakely sy ny manodidina, nazava ny toromarika fa dia hitanjozotra ho eny atsimondrano ny rehetra, hitaky ny fialan’ny amiraly Didier Ratsiraka. Roso tokoa ny dia, nihazo ny tonelina Ambohidahy, Anosy Andrefan’Ambohijanahary, Soanierana, Ankadimbahoaka. Notombanana ho manodidina ny 1 tapitrisa mahery ny olona nanao ity diaben’ny fahafahana tamin’ny 10 aogositra 1991 ity. Niato ny dia rehefa tonga teo Andoharanofotsy satria natevina ny sakana napetrak’ireo mpiambina ny lapa sy ny mpiaro manokana ny filoha Ratsiraka na RESEP.

Ankoatra ireto farany dia tazana teny ihany koa ireo vatan-dehilahy nivatsy kobay sy pilotra. Nisy ihany ny fifampidinihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, saingy mazava ny baiko fa tsy mahazo mihoatra ny barazy ireo vahoaka. Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, raikitra koa ny toraka pilotra, nipoaka koa ny basy ary bala tena izy no nitifirana ireo vahoaka. Raikitra ny savoritaka, maro no nitsoaka tany an-tanimbary, kanefa dia notsenain’ny baomba milevina. Nihosin-dra tanteraka ny teny Mavoloha sy manodidina azy. Araka ny horonantsary, nivoaka taty aoriana dia tao anaty elikoptera mihitsy, ary nanome baiko ny miaramila ny amiraly Ratsiraka.

Tsaroana hatramin’izao ilay teniny nanao hoe : «tirez sur la voiture noire». Andro iray tsy azo kosehana eo amin’ny tantaran’i Madagasikara ny 10 aogositra 1991, ary nanova zavatra maro teto amin’ny firenena. Ny lasa tsy fanadino, hoy ny fomba fiteny, fa ao koa ny milaza fa tsy tafita ny tolona iray raha tsy misy ra latsaka. Nanome lesona ny mpitondra sy ny mpanao politika iny Diaben’ny Fahafahana iny. Tokony ho nahay nandray lesona tamin’izany koa anefa ny vahoaka, satria hatramin’izao tsy fantatra ny tena marina momba iny raharahara iny. Nangina ny fitsarana, tsy nisy ny fanadihadiana lalina natao. Ny amiraly Ratsiraka aza moa, tamin’ny 1997 dia tafaverina teo amin’ny fitondrana indray. Raha niverina an-tanindrazana aza izy ny 24 novambra 2011 dia velon-kira hoe «Je ne regrette rien» ary hatramin’izao dia madio ny "casier judiciaire"-ny.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT