Politique

Diaben’ny Fahafahana 10 Aogositra Efa tantara sisa ?


  • Alarobia 10 Aogositra 2016

10 aogositra 1991 ! Daty manan-tantara teto Madagasikara izany nisian’ny “Diaben’ny fahafahana”.

25 taona aty aoriana, toa mangingina mba tsy hilazana fa hadinodino io daty io kanefa tena nanamarika ny tantaram-pirenena nitarika ny firodanan’ny Repoblika faharoa, nitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka. Ny Herivelona Rasalama no nitarika ny hetsika tamin’io. Anisan’ny mpitarika ny tolona teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey tamin’izany fotoana, ary mbola velona eo sady vavolombelon’ny tantara ry Pr Zafy Albert, Daniel Ramaromisa, Alain Ramaroson... Rava tao anatin’ny ra mandriaka ny mandan’i Jericho, ary nalaza nanomboka teo ny Demokrasia. Nanaraka an’izay ny firoborobon’ny fananganana antoko politika, gazety sy haino aman-jery ka namaky lay ny Radio Feon’ny Vahoaka (RFV). Nanome lesona ny mpitondra sy ny mpanao politika iny Diaben’ny Fahafahana iny. Tokony ho nahay nandray lesona tamin’izany koa anefa ny vahoaka, satria hatramin’izao tsy fantatra ny tena marina momba iny raharahara iny. Nangina ny fitsarana, tsy nisy ny fanadihadiana lalina natao. Ny amiraly Ratsiraka aza moa, tamin’ny 1997 dia tafaverina teo amin’ny fitondrana indray. Raha niverina an-tanindrazana aza izy ny 24 novambra 2011 dia velon-kira hoe «Je ne regrette rien» ary hatramin’izao dia madio ny "casier judiciaire"-ny. Ny mpitaritolona tamin’izany, mangina tsy ahenoan-teny ny mbola velona, ny sasany voatazona am-ponja. Ny firenena anefa ity toa mikoroso fahana andro aman’alina hatrany, ary manao dia miverina mankany amin’ny fangejana sy ny fanapenam-bava notoherina sy nimatimatesana ary namoizana ain’olona tamin’izany. Hendry sy mahari-pery ny Vahoaka Malagasy sa mahantra fadiranovana ka manadino ny tantara ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT