Tsy mahavaha olana ny zava-misy eto Madagasikara ny fizotry ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy Rasamoelina Hary Naivo, filoha nasionalin’ny antoko Dina maha olona sy Demokrasia Madagasikara.
Anarana fotsiny no niova fa mitoetra ny olana fototra ara-politika. Mbola mitoetra ilay fanaovana politika afrikanina eto amintsika dia ny fijerena tombontsoa manokana rehefa mahazo seza sy mitondra fanjakana. Misongadina ny fijery politika sy fomba fisainana vahiny ka karazana mandray baikon’ireo mpanjanaka fotsiny ny mpitondra Malagasy. Misy lafiny tsara ihany anefa ny fijoroan’ny rafi-panjakana vaovao mba ahafahana mitsara sy mametraka arofanina, hoy ny fanazavan’ny mpitarika ny DHD Madagasikara.
Efa hita soritra sy mazava amin’ny vahoaka koa ny momba ireo mpanao politika Malagasy.Tsara homarihina kosa ny tsy fisian’ny firaisankina politika fa fanoherana aza no hita mikasika ny fanendrena ny praiminisitra. Ireo milaza ho mpanohana ny fitondrana indray dia miafina fotsiny amin’ilay hoe fisokafana amin’ny karazan-kery samihafa. Ho tombontsoan’ny fiaraha-monina Malagasy dia ilaina ny fomba fijery sy fandaminana vaovao hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Manana andraikitra goavana amin’izany ireo hery sy fikambanana liam-pivoarana. Fepetra tokana takiana kosa ny firaisankinan’ny olom-pirenena na «esprit de citoyenneté».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.