Ny sabotsy lasa teo, nivoaka tamin`ny fahanginany ny antoko DHD Madagasikara ka nanolotra ny vinany izay mitodika kokoa amin`ny sosialim-bahoaka.
Ny antoko moa dia manovo fahalalana sy fahendrena avy amin’ireo olo-malaza eran-tany nitolona sy mbola mitolona ankehitriny. ``Mbola mametra-panontaniana tokoa raha hisy ny fifidianana amin`ity taona ity``, hoy ny filohan`ny antoko Harinaivo Rasamoelina ``satria ao anatin`ny fifanoherana goavana ny firenena ary ny fitondram-panjakana tsy mahafantatra no tokony halehany. Diso lalana ny endriky ny fifaninanana misy eto amin`ny firenena, fifanenjehana sy fifamonoana ara-poto-kevitra no zavatra misy eto``, araka ny fanambarany. Toy izao ny adidy tsy azo ihodivirana miankina amin’ny mpikambana ao amin’ ny antoko DHD Madagasikara: « Manamafy sy mampivelatra ny fahefana sy ny fifampifehezana, manatsara hatrany ny fomba fitantanana demokratika, mampiakatra ambony hatrany ny fahaizana sy ny fahalalana politikan’ireo mpitantana sy ny mpikambana ». Araka izany, nanamafy Atoa Harinaivo Rasamoelina fa `` mbola ho avy ny fotoana hanaovana fanambarana ofisialy ka handrotsaka kandidà ho filoham-pirenena amin`ity taona ity raha mbola misy koa ny fanagejana ataon’ny fitondram-panjakana, na rafi-pahefana, na kilasin’ireo tia tena, mpangoron-karena imperialista, mpanao ampihimamba ny fahefana sy ireo « ultra libéralistes ». Ho an’ny antoko DHD Madagasikara dia sady hery no reharehany ary antoka handraisany adidy ny fananany firaisankina sy fahamarinana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.