Nanao tatitra ny fivoriana nataon’izy ireo tany Fianarantsoa farany teo tetsy amin’ny AKFM Andravoahangy ry zareo avy eo anivon’ny
dinika ho fanavotam-pirenena na DFP sy ireo vondrona mpanohitra ny fitondrana hafa miara-mivondrona aminy ao anatin’ilay antsoina hoe (Force de changement). Nampitovy tadin-dokanga tao Fianarantsoa, hoy Tolojanahary Maharavo na i Doudou, na ny avy any Antsiranana na Toliara na Mahajanga sy ny rehetra fa tsy hanaiky intsony ny fandavana ny zo omen’ny lalàna azy izay voarakitra ao amin’ny andininy faha 060-82 tamin’ny taona 1960. Efa nanome alalana anay ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ny zoma teo hanao fivoriambe ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny 22, 23, 25 ary 26 aogositra izao. Raha mandà ny eo anivon’ny prefektiora dia tokony hanome taratasy fandavana anay dieny izao ahafahanay mampakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana indray. Rehefa tsy hanao an’izay izy, hoy hatrany ity filohan’ny DFP ity dia naman’ny manaiky ka tsy tokony hifanelingelina intsony amin’ny talata.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.