Tamin’ny 10 ora maraina no fotoana nomena an’ireo depiote fa hirosoana amin’ny fandinihana an’ilay volavolan-dalàna fehizoro 05/2018 mikasika ny lalàm-pifidianana 2018 ao anatin’ny fivoriana nitambaram-be omaly talata 20 martsa 2018.
Maro tamin’ireo solombavambahoaka no efa tonga nialoha io fotoana io tao an’efitrano fivoriana ary nifandimby nivoaka niditra niandry ny fanombohan’ny fivoriana. Adiny roa taty aorian’ny fotoana nomena, tamin’ny 12ora latsaka 5 minitra, dia tsy nahatsindry fo ny depiote Mapar 3 mirahavavy (Naharimamy Lucien Irmah sy Rahantanirina Lalao na Nina ary Rahelihanja Jocelyne) ka tonga hatrany amin’ny Cafétariat nisy an’ireo namany maro nivazavaza fa efa sasa-niandry ela loatra izy ireo ka hatao sa tsy hatao ny fivoriana ? Mbola tazana nihazo ny lalantsara misy ny biraon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena izy ireo avy eo no naneno ny “gyrophare” nilaza ny fahatongavan’ny praiminisitra izay matetika efa zatra ny tara fotoana ka raha tadidintsika dia avy amin’izany tranga izany no nampitolefika ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, Honoré Rakotomanana, teo am-piandrasana azy. Tamin’ny 12 ora 30 antoandro marina vao nanomboka ilay fivoriana nitambarambe omaly maraina ka anisan’ny fototra nampiakatra ny feo tao an dapa ity trangan-javatra ity ary nomarihan’ny depiote Rahelihanja Jocelyne teo imason’ny praiminisitra sy ireo minisitra notarihany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.