Volavolan-dalŕna goavana hiadian-kevitra eny amin’ny lapam-panjakana Tsimbazaza amin’izao fotoana izao ny momba ny fampihavanam-pirenena, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Razafimanantsoa Hanitra.
Betsaka ireo andininy sy teny na fehezanteny fandrika voarakitra ao anatin’io volavolan-dalàna io mety hitondra amin’ny fanakanana na fanilihana tsotra izao ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc tsy handray anjara amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny taona 2018, araka ny fanamarihan’ity solombavambahoaka Tiako I Madagasikara nitondra teny firariantsoa an’i Dada nandritra ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahany omaly teny amin’ny Tiko Tanjombato. Efa nesorinay avokoa ireo hevitra manembantsembana mitarika ny fanilihana amin’ny firotsahan’i Dada, hoy hatrany ny tenany. Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny handaniana izany ireo depiote TIM. Tokana mantsy ny tanjona dia ny hampandany sy hamerina indray ny filoha nasionalin’ny antoko eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika, hoy ity olom-boafidy ity namarana ny lahateniny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.