Politique

Depiote TIM sy MAPAR Niara-nijoro tao Ambohimanarina


  • Talata 22 Jolay 2014

Taorian’ny lanonana tsotra fanolorana fitaovana toy telefaonina finday, fanamiana, “lampe de poche”, kiririoka ho an’ireo vaomieran’ny fandriampahaleman’ireo fokontany 31 ao amin’ity Boriborintany ity izay notarihan’ny Lehiben’ny distrika Antananarivo-VI, Tsiry Nohary

Andrianina, teny amin’ny sehatra maitson’Anosivavaka ny alahady teo, dia nanatanteraka niaraka ny tatitry ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena natrehan-dry zareo ny solombavambahoaka mirahavavy lany teny amin’ity Boriborintany ity dia Rasoanoromalala Marie Horace sy Raherisoa Vololona Victorine na dia samy hafa firehana aza. Noporofoin’ireto solombavambahoaka mirahavavy ireto fa efa vita tany amin’ny fampielezan-kevitra ny fifanasana vangy sy fifamelezana fantsy isan-karazany fa efa andro fijerena ny tombontsoam-bahoaka izao. Azo ambara ho firosoana any amin’ny fampihavanam-pirenena marina izao fihetsika nataon’ireo depiote lany tamin’ny anaran’ny Ankolafy Ravalomanana sy tamin’ny anaran’ny Mapar ireto. “Ny tonga miaraka dia fanombohana fa ny miasa miaraka no tena fahombiazana  mitondra any amin’ny fampihavanana”, hoy ny depiote Horace. Efa ambarako ombieny ombieny, hoy ny depiote Vololona fa mila fitoniana ny vahoaka ka anisan’ny fahatrarana izany izao fanomezana fitaovana ho an’ny mpitandro ny filaminana ety anivon’ny fokontany ataonay izao. Leo krizy isika sy ianareo vahoaka ka hiarahana ny fampandrosoana an’Ambohimanarina manomboka izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT