Nikarakara fifaninanana ny ADA (Association des Arbitre Ambohimanarina) izay mpikambana ao amin’ny « Firaisankina Ambohimanarina » niaraka tamin’ny depiote Rasoanoromalala Horace mpikambana TIM sady filoham-boninahitry ny fikambanana rahateo.
Grande Finale izay nandraisan’ny sokajy open natao teny amin’ny kianja Herdjee teny Anosivavaka ny alahady 20 novambra lasa teo. Nanome voninahitra ny hetsika koa ny lefitra faha-2 an’ny delegen’ny Boriborintany faha-6 eto Iarivo. Tsy natao isaky ny vanim-potoana malaza intsony ny fikarakarana hetsika ara-panatanjahantena ho an’ny tanora ety Ambohimanarina, hoy Rtoa Solombavambahoaka fa efa nokendrena ho maharitra mandavan-taona. Lasan’ny ekipan’ny Fc Relev’a avy eny Ambohimanandray nandresy ny Ajaca Anosivavaka 1-0, ny omby lehibe natao amboara. Ondry 6 kosa no natao amboaran’ireo sokajy hafa (benjamin, minime, cadet, vehivavy, vétéran ). Yaourt à boire TIKO no nomena ireo mpilalao nanao ny finale goavana teo am-pialantsasatra. Tsy ho latsa-danja amin’izany koa ny fampianarana informatika sy fampianarana zaitra mbola tohanan’ity depiote TIM avy eny Ambohimanarina ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.