Politique

Depiote tara karama Naoty avy amin`ny minisiteran`ny vola no antony


  • Talata 04 Febroary 2020

Nanaitra ny besinimaro ny fanehoan-kevitry ny depiote Paul Bert Rahasimanana na Rossy tamin`ny tambajotran-tserasera hoe “O ry fanjakana ah !

 

 

 Efa fevrier mbola tsy nandray karama ihany le deputé fa inona le problema eh ? » Somary sadaikatra ihany ny maro naheno fa andrim-panjakana toy ireny ve dia ho tara ny karama ? Nitondra ny fanazavana mahakasika izay moa ny kestora I, ny solombavambahoaka Jean-Michel Henri fa ara-dalàna ny fandoavam-bola eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Ireo depiote mandray ny karamany amin`ny alalan`ny banky (virement bancaire) koa voaloa ara-dalàna. Ho an`ireo mampiasa “bon de caisse” kosa no misedra olana. Hisy naoty ataon`ny minisiteran`ny vola sy ny tetibola fa tsy azo atao intsony ny fampiasana “bon de caisse” ka izay no antony mahataraiky ny fandoavana karama ho an` ny depiote sasany, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT