Politique

Depiote Razaranaina Nomenirina Nahilikiliky ny mpitondra HVM


  • Zoma 12 Janoary 2018

Gaga sy talanjona ny olona tao Fianarantsoa tsy mba nahita ny solombavambahoakan’izy ireo niara-dia tamin’ny solontenan’ny fitondram-panjakana nandeha fiaramanidina manokana na “jet privé”

 

namangy ny fianakavian’ireo 8 mianaka niara-maty noho ny fihotsahan’ny tany tao Ivory ny fiandohan’ny herinandro teo. Ireto avy ireo delegasionina manokana nandeha fiaramanidina nihazo an’i Fianarantsoa ny 9 janoary teo : Minisitra Rasoazananera Monique, Andriamosarisoa Jean Anicet, Andrianisa Mamy Jean Jacques, Lantoniaina Rasoloelison, Beboarimisa Ralava, ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao, ny loholona Riana Andriamandavy, ny loholona Olivier Rakotovazaha … Voasivana kosa ny solombavambahoaka Razaranaina Nomenirina. “Noho ny fahatapahan’ny lalana Antananarivo Fianarantsoa, dia tsy mba afaka niombona alahelo tamin’ny fianakavian’ireo traboina ny tenako, kanjo naheno hoe nisy delegasionina manokana avy amin’ny governemanta tonga tany. Amin’ny maha solombavambahoakan’ny tanànan’i Fianarantsoa ahy anefa dia tsy mba nampandrenesina akory mba hiara-dia amin’ny delegasionina any. Izay ve ny fifampitondrana eto amin’ity tany ity ? Tsy firaharahiana ve ny fandraisana ny tenanay avy any sa fanadinoana ?”, hoy izy. Amin’ny andro toy izao no tokony hiray fo sy hiray aina, miara-miombon’alahelo amin’ny mana-manjo ny tenako amin’ny maha solombavambahoakan’i Fianarantsoa, fa izany rehetra izany no fifampitondrana sy ny fametrahana ny maha olom-boafidy anay eto amin’ny tany sy ny fanjakana, hoy ity depiote. Izy irery no manampahefana tsy tao anaty lisitra, ka tsy hay na tsy antonona intsony ny fiaramanidina na fitia te hanavaka azy tsotr’izao no natao na koa misy manampahefana avy ao Fianarantsoa tsy faly aminy, ka dia nabaribary izany. Marihina anefa fa ao anatin’ny vondrona parlemantera HVM izy. Aza mijery ny tsy eo fa solontenan’ny fitondram-panjakana iray manontolo ireo, hoy kosa ny Filohan’ny antenimierandoholona. Misy iraka samihafa any ary tsy maintsy ho tonga eo izy … Tokony ho aty ihany koa izy fa tapaka ny lalana dia tsy tonga izy, hoy indray i Rivo Rakotovao avy eo. Amin’ny zavatra toy izao dia tsy hifanome tsiny isika, fa ao anatin’izay mba vita no mifampisaotra satria mifaninana amin’ny tsara, ka tsy ny fahavoazan’ny olona no tsara fa ny fifampisehoana ny fihavanantsika, hoy hatrany izy.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT