Politique

Depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel Tokony hisy fifanarahana politika vaovao hatao hisian’ny fitoniana


  • Alarobia 30 Jolay 2014

Izaho mahita, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel, amin’ny toe-draharaha politika misy eto amintsika fa ny vahaolana amin’ny savorovoro misy ankehitriny dia tsy misy afa-tsy ny fifanatonana sy fifampidinihana ka amoahana fifanarahana politika vaovao eken’ny mpanao politika hiaraha-miasa

Fa raha mbola samy hanana ny heviny sy samy beloha eto dia vao mainka hilentika lalina amin’ny fahoriana  i Madagasikara ka rahoviana indray vao afaka amin’ny vahohon’ny mpanjanaka ny vahoaka ? Ilay fifanarahana politika dia tokony hahatsapana fa misy hery samihafa eto amin’ny firenena raha tarafina amin’ny eny amin’ny Antenimieram-pirenena ka tsy azo atao tsinontsinona ireo vondron’antoko manana maro an’isa tahaka ny Mapar (depiote 49), Ankolafy Ravalomanana (depiote 20), MMM (depiote 14) ka tsy tokony hirehareha ny HVM fa depiote tsy miankina teo aloha efa be nifanaraka tamin’ny vondrona Patram ireo lasa nifanaraka aminy ireo indray. Amiko, hoy ity depiote ity, raha nilaza fohy ny heviny mikasika ny fanagadrana mpanao gazety farany teo izy, tsy misy firenena handroso tsy misy tsikera izany ka tokony ho raisina ho fanitsiana ireny nataon’ny mpanao gazety ireny. Teny amin’ny lanonan’ny fikambanana Zandranavalona nankalaza ny Alahamady 2014 teny Anosimanjaka ny faran’ny herinandro teo moa no nanambaran’ity depiote ity ireo rehetra ireo ary tamin’ny maha Ampanjakan’Ikongo azy koa no nanambarany mikasika ity hetsika nanasana azy ity fa feno 100% ny fepetra fanaovan’ny Andriana lanonana teny Anosimanjaka tamin’io andro io satria tsy tongatonga ho azy ireo trangan-javatra niseho teny (andro manjombona nanerika be, omby ho vonoina nirifatra tany an-tanimbary, fiverenan’ny Zanadranavalona maro am-bala indray sns…), tokony hifoha isika Malagasy  ary manana adidy hiaro ny taniny ny Andriana, hoy izy. Tonga ny fotoana tokony hampisehoana firaisankina ao anaty fotoana fohy ka hifampidinihana sy hifanakalozan-kevitra marina ho fampandrosoana ity firenena ity ka hanandratra ny maha-izy ny tena fa tsy hiantehatra amin’ny vahiny lava izao. Kihon-dalana lehibe hoan’ny firenena izao andro izao. Samia misaintsaina !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT