Politique

Depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel Ilaina ny fitantanana mangarahara


  • Alarobia 04 Janoary 2017

Tokony ho vaindohan-drahara hataon'ny fitondram-panjakana mitondra ny firenena amin'izao fotoana izao,



amin'ity taona 2017 ity, ny ady amin'ny kolikoly sy tsy fandriampahalemana izay tena manjaka eto amin'ny firenena ankehitriny fa tena mijaly tanteraka ny vahoaka, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel voafidy tany amin'ny distrikan'Ikongo sady mpitondran-tenin'ny vondrona parlemantera Mapar eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Tena mila ezaka be mihitsy ny amin'ireo lafiny voalaza teo ireo, hoy ity depiote ity, ary tokony mba hampiseho ny fitantanana mangarahara amin'izay koa izany fitondrana mahefa izany ka hiala amin'ny kilaingalainga fanaony mahazatra hatramin'ny nitondrany ny firenena izay. Amin'izao  fahatrarana ny taona vaovao 2017 izao dia manararaotra etoana ny tenako sy ny Mapar misy ahy miarahaba ny vahoaka Malagasy manontolo ary manamafy ny fiarahabana manokana ny vahoakan'Ikongo sady mirary soa mitafotafo ho an'ny rehetra tsy an-kanavaka ihany koa.


Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT