Politique

Depiote Razafimanantsoa Hanitra Fitsipi-pifehezana anatiny vao fifidianana birao


  • Alatsinainy 14 Aprily 2014

Ny talata faharoa amin’ny volana mey no miatrika ny fivoriana ara-potoana ireo solombavambahoakan’i Madagasikara.

 Taorian’ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana anefa dia rariny sy hitsiny raha miroso any amin’ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana ny eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka. Hojerena ao anatin’izay ny fandaniana ny fitsipi-pifehezana anatiny ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Aorian’io dia tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana ireo mpikambana handrafitra ny Birao maharitra hitarika azy ireo depiote ao anatin’ny rafitra mpanao lalàna.

Malalaka ny firotsahana ho an’ireo kandida hifaninana amin’ireo toerana rehetra manomboka any amin’ny filoha ka hatrany amin’ny mpampiaka-teny, hoy ny depiote Razafimanantsoa Hanitra vofidy tao Antananarivo I nandritra ny lanonana fiaraha-mifaly niarahan’ny ankolafy Ravalomanana sy ireo mpanohana azy teny Ankasina ny sabotsy lasa teo. Nanamarika ny tenany fa efa nisy ny fifampidinihana teo amin’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara lany tamin’ireo Boriborintany enina sy ny filohan’ny delegasiona manokana eto Antananarivo Renivohitra momba ireo asa mipaka mivantana amin’ny vahoaka. Anisan’izany ny fanalana ireo fako sy ny fijerena manokana ireo faritra iva, hoy ny fanampim-panazavany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT