Ny anay efa mazava ny resaka, hoy ny depiote Behavana Raveloarivonjy voafidy tany Sambava tamin’ny lisitra Trano Kasaka, fa ny mahasoa ny vahoaka ihany no tena hifoforanay fa io no nanaovanay velirano tamin’izy ireo nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny. Marina, hoy izy, fa hoe hanao lalàna no tena asa voalohany ataonay ety Tsimbazaza mba hanana drafitra hahasoa ny vahoaka saingy tsy havelanay koa ny fijerena ifotony ny vahoaka izay efa nilokalokanay fatratra. Anisan’ny ho vaindohan-draharaha hataonay amin’izany ny fizahana lalana any amin’ny tompon’andraikitra mahefa ahafahana manamboatra ny lalana mampitohy an’i Vohémar sy Ambilobe izay fototry ny fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra an’iny Faritra iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.