Na dia ambara matetika aza hoe tsy hita sy tsy mandray andraikitra miaro ny mponina amin’ny raharaha tany hifandroritan’ny mpandraharaha
teratany sinoa sy ny vahoakan’ny kaominin’i Soamahamanina any anelanelan’Arivonimamo sy Miarinarivo ny tenako, depiote Ravahimanana Guillaume voafidy tany Miarinarivo, dia ambarako etoana fa efa nanazava ity raharaha ity foana aho hatramin’ny volana septambra taona 2015 teny anivon’ny haino aman-jery samihafa teto amin’ny firenena, ka efa nanambara hatramin’izany fotoana fa tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoam-bahoaka izahay solombavambahoaka ka tsy latsa-danja amin’izany ny depioten’i Miarinarivo. Efa nazava ny fahazoan-dalana hampiasa ny tany any Soamahamanina azon-dry zareo Sinoa ireto fa ny hany natao tamin’ny fifampiresahana natao tamin’izy ireo dia ny tsy maintsy hijereny ny fampandrosana ara-toekarena any amin’io toerana io ho setrin’ny asa ataony, ny tsy maintsy hijeren’izy ireo ny fotodrafitrasa mikasika ny fampianarana any an-toerana koa, ny resaka fikajiana ny tontolo iainanana ary indrindra indrindra ny lafiny sosialy. Ambarako, araka izany, fa mbola eo anilan’ny vahoaka hatrany ny tenako, depioten’i Miarinarivo, amin’ity toe-draharaha any Soamahamanina ity na dia teo aza ny savorovoro nateraky ny fivoriana notarihan’ny finoana vaventy iray tamin’ny faha-20 jona farany teo iny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.