Politique

Depiote Ratsivalaka Michelle Notoheriko ny fandaniana ny volavolan-dalàn’ny Z.E.S


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Depiote niisa 40 tamin’ny 151 izahay no nivory teto amin’ny lapan’i Tsimbazaza ny 08 novambra teo ka niatrika ny fandaniana an’ilay volavolan-dalàna lah.018/2017 du 18/07/17 mikasika ny Z.E.S

 

 na Zône Economique Spécial ka ny 39 taminay izay avy amin’ny maro an’isa manohana izao fitondrana izao no nananga-tanana nandany an’ity volavolan-dalàna ity fa izaho irery no nitsipaka azy io satria heveriko fa fanomezana lakile an’ireo vahiny hitoetra eto amintsika ka hanjakazaka amin’izay toerana nangatahany hanaovana tetikasa efa voafaritra manaraka ny lalàna ny fandaniana azy io. Ho lasa « propriété privée », hoy ity depiote ity, ny tany 300 hatramin’ny 350 homena azy ireo araka ny voarakitra ao anatin’ilay volavolan-dalàna ka na inona na inona ataon-dry zareo ao amin’io tany io dia tsy afaka miditra ao intsony isika Malagasy mandritra ny 30 taona hifanarahana fa hampiasany ny tany nomena azy. Raha fambolena no voalaza fa hataon-dry zareo ao dia tsy ferana ny hitrandrahany ny harena an-kibon’ny tanintsika satria efa fantany mialoha amin’ny alalan’ny GPS ny zava-misy marina ao ambanin’io toerana hipetrahany io. Azo ambara fa tetika ataon’ny fanjakana Malagasy ankehitriny hanomezana tany manara-dalàna (légal) ny vahiny ity volavolan-dalàna mikasika ny Z.E.S ity sy ireo mbola ho avy toy ny Z.I.I na Zône d’Investissement Industriel sy ny Z.I.A na Zône d’Investissement Agricole.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT