Nisantatra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena niaraka tamin’ny vahoakan’ny Boriborintany faharoa nifidy azy teny Ambohipo omaly talata 24 jona ny depiote Randrianarisoa Stanislas na Rastany.
Niainga tamin’ny fitokanana ny “bassin” fanasan-damba vaovao namboariny izay nitentina 5 tapitrisa Ar teny amin’ny fokontanin’Ampasanimalo izany ary avy eo mbola notokanana koa ny kianja “terrain mixte” vita tara ao anatin’ny faritry ny CEG Ambohipo ka azo hilalaovana hand-ball, volley-ball, basikety nandaniana 40 tapitrisa Ar. Nizaran’ity depiote ity vary ihany koa ny olona sahirana niisa 180 avy amin’ny fokontany 24 ao amin’ity boriborintany nahalany azy ity. Vahiny nasaina notarihan’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, Me Hanitra Razafimanantsoa sy ireo mpiara-dia tompo-marika tamin’ny fandaniana azy ary koa solontenan’ireo fokonolona avy amin’ireo fokontany 24 voalaza teo nanodidina ny 400 tany ho any kosa no niara-nifampizara ny nofon-kena mitam-pihavanana tamin’ny depiote Rastany mivady sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky dia ny fiarahana nisakafo tao amin’ny efitrano filanonan’ny Ekar Ambohipo. Podium goavana teny Ambohipo ary niarahana tamin’i Jerry Marcos sy ny tariny kosa no namaranana ny hetsika omaly taorian’ny tatitra nataon’ity depiote ity mikasika ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena atrehan-dry zareo ankehitriny ka tena ny masoandro maty tokoa no nampalahelo fa dia nalai-nisaraka ny vahoaka. Ireo rehetra ireo, hoy ny depiote Randrianarisoa Stanislas dia fanombohana ny fampanantenana nataoko tamin’ny vahoaka fony fampielezan-kevitra ireny fa tsy mpanao kobaka am-bava ny tenako. Efa voaresaka tamin’ny talen’ny CEG Ambohipo koa ny hanorenako efitrano 2 na 3 hisantarana ny fanitarana atao eny an-toerana ary hisarihana ny fanjakana koa hanampy izany ho feno 6 na efitra 8 mba hahazoana mifampizara ny toerana hitsanganan’ny Lycée Ambohipo, tsy hahasahirana ny tanora maro liam-pandrosoana ato amin’ny Boriborintany faharoa. Ny tena tanjona ihany koa tamin’izao hetsika izao, hoy ny depiote Rastany, dia ny mba hanetsika ny hambom-po ny Malagasy, indrindra ireo mpivezivezy any ivelany, fa tsy ambakan’ny hakanton’ny any ny eto Madagasikara ka tokony hieritreritra izany fampandrosoana an’i Madagasikara izany ny tsirairay avy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.