Politique

Depiote Rasoanoromalala Marie Horace Afaka mody i Dada rehefa miala ny « FA »


  • Alakamisy 17 Jolay 2014

Rehefa miroso amin’ny fampihavanana isika, hoy i Ignace Randriamamizafy, dia tsy misy aloha sy aoriana izany fa mitovy lenta avokoa ary mihavana avokoa ny niaraka tamin’ny 2002 satria izay no didy fa malemy rehefa tsy maro an’isa amin’ny politika

Azo soloina avokoa ny olona amin’ny fitantanana politika afa-tsy ny “icône” dia i Marc Ravalomanana izany. Mitovitovy avokoa ny hevitra n’aiza n’aiza hoe : fampihavanana fa ny “commentaires” no tena betsaka, hoy ny depiote Rasoanoromalala Marie Horace (Boriborintany faha-VI). Hifandefitra izany ho fanambarana ny hery hampodiana ny filoha Ravalomanana ka samy manaiky fa Razoarimihaja no filohan’ny TIM, tsy avela hibiloka ny tolona. Aleo hampiharina ny “No comment”, hoy izy, amin’ny fihainoana ny kabarin’i prezidà fa miray hina ary miara-manohy ny fahatrarana izany tarigetra farany dia ny fampodiana azy izany. Afaka mody ny prezidà Ravalomanana, hoy ny depiote Horace, rehefa miala ny “FA”… “FA” isan-karazany (toy ny hoe : ho tonga izy FA mila miray hina, na koa ny hoe : miverina ireo nania FA tsy mitana toerana eny aloha …). Nanambara ny hanao tatitry ny fivoriana voalohan’ny Antenimiera farany teo ho an’ny vahoakan’Ambohimanarina sy Boriborintany faha-VI  nifidy azy amin’ny zoma izao (sehatra maitso Anosivavaka) ary hanolotra fitaovana ho an’ny andrimasom-pokonolona ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT