Politique

Depiote Rasoanoromalala Horace Hanohy hatrany ny asa fanasoavana an’Ambohimanarina


  • Alatsinainy 02 Janoary 2017

Nameno ny fandaharam-potoanan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rasoanoromalala Horace nandritra ny asaramanitry ny Noely sy faran’ny taona 2016 ny fitsinjovana manokana ireo mpiara-belona monina ao anatin’ny boriboritany faha-6.

Nitondra izay voatsirambin’ny tanana toy ny vary, akoho na koa vatomamy miaraka tamin’ny fizarana alimanaka 2017 hoan’ireo ankizy sy zokiolona tao amin’ireo fokontany efatra dia Ambohimiadana Atsimo, Ambohimiadana Avaratra, Antsahabe ary Ambodimita ny tenany ny andron’ny sabotsy 31 desambra ho famaranana ny taona 2016. Niato kely moa ireo fanampiana ny mponina amin’ny fanamboarana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa eny anivon’ireo fokontany Ambohimanarina efa natombony. Hanohy hatrany ireo asa sosialy fanasoavana ny mpiray tanindrazana kosa izy amin’izao taona vaovao mitsidika izao saingy hiroso amin’ny fanaovana tatitra hoan’ireo vahoaka nifidy azy aloha amin’ity volana janoary 2017 ity, araka ny fanazavany.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT