Raha ny zava-misy any Betroka dia izaho solombavambahoaka izay tompon’andraikitra any an-toerana no tokony hahalala izany voalohany indrindra, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas teny Antaninarenina omaly.
Raha misy tsy matoky ny zavatra lazaiko, dia aoka izy hidina hanamarina ny zava-misy any an-toerana. Manoloana ny politika eto amin’ny firenena dia nahitsihitsy ny teniny nilaza fa ny filoha Hery Rajaonarimampianina hatrany no mahazo fanakianana nefa ny governemanta izay mahazo baiko avy aminy hanatanteraka ny praograma arosony no tsy mahavita azy. Tsy dia nankasitrahany loatra ny fanoloana ampahana mpikambana ao amin’ny governemanta natao farany teo. Aminy, ny 80%-n’ireo minisitra ao amin’ny governemanta Solonandrasana Olivier dia mila esorina amin’ny toerany avokoa. Ny any Antsakabary no nahamay ny sasany nefa ny zava-misy any Betroka efa tena mahamay fatratra. Ministra 4 no mba nandalo tany. Tsy maninona raha HVM daholo ireo minisitra tendrena dia ho hita eo ny ataony, hoy izy.
Mikasika ny tsy fandriampahalemana miseho any Betroka dia nambarany, amin’ny maha filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana azy ao amin’ny Antenimieram-pirenena fa ny lehiben’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena any Anosy sy ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandary ao Betroka no fositra ka tokony hoesorina amin’ny toerany. Tsy misy mihitsy fiaraha-misan’izy ireo amiko depiote any an-toerana ka vao mainka manampy trotraka ny tsy fisian’ny tsy fandriampahalemana. Mampiady ny vahoaka any Anosy ireo amin’ny fampiharana ny “dinan’i Mangoky” fa ny “Dina fitambara” izao no efa ankatoavin’ireo kaominina 22 any Betroka, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.