Politique

Depiote Randrianasolo Nicolas Nataon’ny ladoany lavanty ny fiarany


  • Alarobia 28 Desambra 2016

Fiara Mercedes 600SEL, mitovy amin’ireny fitondrana filoham-pirenena ireny, nentin’ny sambo Hoegh Treasur avy any Eoropa ary tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny 4 aprily 2014 ity nataon’ny ladoany lavanty ny herinandro teo ity rehefa ela nipetrahana tao fa tsy voaloan’ny tompony ny haban-tseranana sy ny saran’ny fipetrahany tao efa roa taona mahery izay.


 Misoratra amin-dRandrianasolo Jean Nicolas ny fiara, Solombavambahoaka voafidy tao Betroka anisan’ireo mpanohana mafana fo ny fitondrana Rajaonarimampianina. Nanantena fanomezana avy amin’ny Fanjakana hahafahana mampiditra maimaimpoana ilay fiara, tsy mandoa haba ve ny tompony sa inona no nampihitsoka azy tao amin’ny ladoany ? 4 tapitrisa Ariary no vidy farany ambany nanombanan’ny ladoany ilay fiara. Lavanty moa no natao, ka izay mpifaninana nanao tolotra ambony indrindra no nahazo azy. Tafakatra 92 tapitrisa Ariary ny vidiny. Malagasy avy eto Antananarivo no nahazo azy, tsy nambara kosa ny anarany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT