Nanambara mazava tamin’ny fitafana fohy tamin’ny mpanao gazety omaly, ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas voafidy avy any amin’ny distrikan’i Betroka Faritra Anosy,
fa tapa-kevitra ny tsy hiresaka politika intsony izy hatramin’ny volana mey 2016 ho avy izao fa hifantoka be dia be amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka. Na izany aza dia nilaza izy fa noho ny fitsanganan’ny rafitra loholona ankehitriny dia tokony hisy ny fanovana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ankehitriny ka soloina ireo tsy nahomby fa hotazonina kosa ireo niasa tsara. Nambarany fa meloka na tezitra amin’ny minisitry ny asa vaventy ny tenany satria tena manao be marenina tanteraka ity tompon’andraikitra ity amin’ny fitakiana nataony ombieny ombieny amin’ny fanamboarana lalana any amin’iny distrikan’i Betroka iny izay fototry ny fisian’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana ka mbola mahafaty olona foana izao. Eo amin’ny asa sosialy voalaza ary dia fantatra fa hanolotra “panneau solaire” sy ordinatera ho an’ireo kaominina rehetra any Betroka ny tenany ato ho ato noho ny fiaraha-miasa amin’ny namana avy any ivelany. Mikasika an’ilay vola 200 tapitrisa ariary anjara fampandrosoana ny distrikan’i Betroka manokana kosa dia nilaza ny depiote Jean Nicolas fa holaniana ao amin’ny kaominina roa dia any Betroka-Mahabo sy Betroka-Anakafy izy tany lavitra Andriana sy mitoka-monina ireo vola rehetra ireo araka ny efa nifanarahana tamin’ny resadresaka nifanaovany tamin’ireo ben’ny tanàna miisa 23 any amin’ity distrika ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.