Politique

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas Potika ny RN 13 noho ny minisitra Roland Ratsiraka


  • Alarobia 27 Janoary 2016

Mananontanona ny fitokana-monina ho an’ ny Faritra Anosy sy Androy iny, hoy ny mponina avy any an-toerana, noho ny fahapotehana miandalana mahazo ny Lalam-pirenena faha-13 mampitohy azy ireo amin’ny Faritr’Ihorombe manomboka eo amin’ny sampanana Andranovory

 

. Nampangain’ny mponina any amin’ireo Faritra ireo ho mpanao politika mpampiesona ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka izay nampanantena ny hamita tanteraka iny RN 13 voalaza iny tamin’ny nandraisany ny toerana maha minisitra azy nefa hatramin’izao tsy hita izay lalàna vita teo na dia ampahany ihany aza. Nahitsy mihitsy moa ny tenin’ny mpitondra-tenin’ireo Faritra roa ireo, ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas, raha nananambara tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety teny Antaninarenina omaly,  fa tokony hoesorina mihitsy tsy ho hita tabilao ao anatin’ny ekipan’ny governemanta vaovao ho avy ity minisitry ny asa vaventy am-perinasa ity. Nolazainy mihitsy aza fa efa nampitainy any amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izany hetahetam-bahoaka izany. Tena zanaka amboadia mitafy hodi-janak’ondry  ity minisitra ity raha ny marina, hoy ity depiote ity. Marihana, hoy izy, fa nilaza ho manana antontan-taratasin’ny fahotana nataon’ireo mpifaninana taminy nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo izy nefa hatramin’izao tsy hita popoka ny nanjavonan’izany.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT