Raha te-hiala amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly ary ny asam-pahalovana rehetra i Madagasikara dia tokony hiainga any amin’ny fotony eny anivon’ny Fokontany, hoy ny depiote Randrianarisoa Stanislasa lany tao amin’ny Boriborintany faha-2 Antananarivo Renivohitra.
Atao olona manampahaizana no hofidiana ho filoham-pokontany ka mba haharaka tsara ny zava-misy rehetra ao amin’ny faritra iadidiana ary hahay sy ho sahy handray andraikitra amin’izay hitany, ohatra ireny fananganan-trano sy ny fanotofan-tany tsy nahazoana alalana ireny. Omena karama sahaza azy ihany koa izy ireny. Izy no hanao tatitra avy hatrany eny amin’ny rafitra mahatapaka, toy ny Bianco, raha vao misy olona manangana trano goavam-be ka mampiahiahy. Toy ny any ampitan-dranomasina rehetra any dia hanaovana fanadihadiana izay mampiahiahy rehetra hoe mendrika sy tokony hahazo izao zavatra hatsangany izao ve ny olona iray ? Raha izany no tanteraka dia inoako fa hilamina ho azy ity tanintsika ity, ho halavirin’izany tsy fandriampahalemana izany,araka ny heviny hatrany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.