Raha namaly ny fanontaniana navantan’ny Tia Tanindrazana taminy mikasika ny hoe :
“tsy matahotra ny ho fandravana ny Antenimieram-pirenena araka ny voizina ankehitriny ve ianareo depiote am-perinasa ?” ny solombavambahoaka Randrianantenaina Olivier Antonny José voafidy farany teo tany Antsirabe II dia nanambara fa : “tsy misy mampanahy anay mihitsy izany sady tsy misy mampatahotra anay satria ny tenanay dia efa solombavambahoaka in-4 teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ka na ho rava rahampitso azy io dia vonona izahay mbola hiverina fanindiminy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena raha izay no mahasoa ny firenena. Misy ny milaza hoe tsy nahavita n’inona n’inona ianareo solombavambahoaka tao anatin’ity Repoblika faha-4 ity ? Milaza izany ny vahoaka satria tsy mahafantatra ny tena adidy sy andraikitry ny solombavambahoaka izy ka anjaran’ny solombambahoaka kosa no mampahafantatra ny adidy sy andraikitra miandry azy indrindra hoan’ireo solombavambahoaka izay miasa eny ambanivohitra izay sady manana andraikitra lehibe izy amin’ny fampandaniana ny lalàna no manana andraikitra lehibe koa manao ny asan’ny mpanatanteraka mihitsy aza raha hilaina amin’ny fampandrosoana ny olona izay nifidy azy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.