Raha namaly ny fanontaniana navantan’ny Tia Tanindrazana taminy mikasika ny hoe :
“tsy matahotra ny ho fandravana ny Antenimieram-pirenena araka ny voizina ankehitriny ve ianareo depiote am-perinasa ?” ny solombavambahoaka Randrianantenaina Olivier Antonny José vofidy farany teo tany Antsirabe II dia nanambara fa : “tsy vao androany akory no naha solombavambahoaka ahy fa efa faninefany lany ho depiote ny tenako izao ka tsy matahotra aho na mbola hirotsaka fanin-diminy hofidiana aza. Misy ny milaza hoe inona marina no mba vitanay solombavambahoaka ? Tsotra no havaliko azy : izahay depiote ireto ankoatra ny maha mpanao lalàna ho tombontsoan’ny vahoaka anay dia sahiko ny milaza etoana fa manao ny asan’ny mpanatanteraka koa izahay any amin’ny fari-piadidiana misy anay any satria izahay no fitarainan’ny vahoaka amin’ny mahazo azy rehetra amin’ny fiainana andavanandro ary amin’ny sehatra rehetra mihitsy”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.