Politique

Depiote Randrianantenaina José Nanolotra fitafiana ho an’ireo mpitondra fivavahana


  • Talata 17 Mey 2016

Amin’izao vanim-potoan’ny hatsiaka manomboka manafika an’i Vakinankaratra izao dia nahita fomba hafa anampiana ireo mpitondra fiangonana ny solombavambahoaka Randrianantenaina José.

 

 Notolorany palitao mihaja indray ireo katekista ho an’ny distrikan’Antsirabe faharoa, ka sady ahafahana manompo an’Andriamanitra izany no hiarovana amin’ny hatsiaka ihany koa. Nisantatra izany ny tompon’andraikitra ara-piangonana tao amin’ny kaominina Antanambao, amin’ny distrika ara-piangonana Soamananazy ka katekista niisa 54 no notolorana akanjo mihaja sy mafana, narahin’ny distrikan’i Soanindrariny ka katesista 60 indray no notolorana toy ny teo aloha. Ny alahady moa dia ny distrikan’Ambohibary ka katekista niisa 72 ihany koa no nizarana io fanomezana io. Anisan’ny nanaitra ireo tompon’andraikitra ara-piangonana ireo ity fanomezana ity satria ny mahazatra ny maro dia saika rehefa hisy fifidianana ihany no hizaran-javatra tahaka izao. Ny fanazavana nomen’ny solombavambahoaka moa dia tsotra mpitondra fiangonana ary mpiahy ny vahoakan’Andriamanitra ireny ka tsy maintsy tohanana. Raha ny fanazavany ihany dia mbola hiitatra amina fiangonana hafa ankoatry ny katolika ny hetsika satria efa misy ny fandaharam-potoana nataony ho amin’izany mandritra ity ririnina ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT