Politique

Depiote Randriamampianina Ramilison Mahatezitra ny zava-misy ankehitriny


  • Zoma 27 Oktobra 2017

Niakatra ny feo tao an’efitrano fivoriana tety Tsimbazaza tao anatin’ny fanatrehana ny fivoriana nihiboka nataonay taorian’ny nandanianay “ordre du jour” teo, hoy ny depiote Randriamampianina Ramilison voafidy tany Antanifotsy, ny alarobia 25 oktobra teo teny Tsimbazaza.

 Nampiaka-peo noho ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena ankehitriny toy ny tsy fandriampahalemana, ny loza voajanahary samihafa ary ny fihanaky ny aretina pesta ka henonareo  avy tety ivelan’ny Lapa fivoriana mihitsy izany. Tena mijaly ny vahoaka raha ny fisehoan’ireo loza voajanahary notaterin’ireo depiote manerana ny nosy tao ka ny fanafodiny hitako, hoy ity depiote ity, dia tokony hivavaka sy hiray hina hoentina hampandroso ny firenena isika mianakavy. Misy ny pesta ao amin’ny kaominina Ambatomiady any Antanifotsy. Ny teniko amin’ireo manavinavy na aiza izy na aiza eto Madagasikara dia aoka izy hanatona ny tobim-pahasalamana akaiky azy. Ny tsy fanaovana an’izany dia fanatonana fahafatesana tsotra izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT