Miomana ary vonona hiatrika ny taona 2018. Io no lohahevitra lehibe nanatanterahan'ny Distim boriborintany faha-4 ny fitsangantsanganana nataon'izy ireo ny sabotsy teo teny amin’ny Saha Katsaoka PK 22.
Efa ela no nagatahan’ny vahoaka azy io, saingy izao vao tanteraka, hoy ny Solombavambahoaka Ramandimbisoa Felix. Ny vahoaka tao amin’ny boriborintany faha-4 mihitsy no nangataka io fitsangatsanganana io, araka ny fanazavany, ka hatrany amin’ny 600 izy ireo no niara-nifaly sy nikorana. Tonga tany an-toerana ireo solontenan’ny TIM isan-tsokajiny, toy ny solontenan’ny filoha mpanorina Marc Ravalomanana. Nandritra io fotoana io no nilazan’ny depiote Ramandimbisoa Félix, fa lainga ny filazana fa tsy vonona ny kandidan’ny TIM, Marc Ravalomanana. Efa ela izy no vonona sy nanambara hirotsaka. Tokana ny kandinda ho an'ny TIM amin’ny taona 2018 dia Atoa Marc Ravalomanana, ary ho hentitra ny mpikambana, indrindra fa ireo solombavambahoaka TIM amin’ny fanaraha-maso momba ny fizotry ny raharaham-pifidianana, amin'ny fepetra handraisana sy hifantenana ny mpilatsaka hofidina amin'io fifidianana ho avy io, hoy hatrany ity olom-boafidy ity. Raha sahy dia avelao hirotsaka daholo, fa tsy hamoronana izatsy na izaroa, hoy ny hafatra nataony miantefa amin’ny mpanao adin’ny kanosa, izay efa mihorohoro sahady. Natomboka tamin’ny kilalao toy ny baolina kitra ny lanona, nisy ny fiaraha-misakafo ary nofaranana tamin’ny fizarana mofomamy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.