Miova endrika tsikelikely Imerintsiatosika, hatramin’izay nahavoasokajy azy ho Kaominina ambonivohitra izay. Anisan’ny angady nananana sy vy nahitana izany ny depioten’Arivonimamo Rakotomanjato Rodin.
Misy fotodrafitrasa vaovao aorina ao an-toerana ankehitriny, Lapan’ny tanàna sahaza ny maha Kaominina ambonivohitra azy. Herimpon’ny Kaominina madiodio no enti-manana ny asa fanorenana. Tonga nanolo-tanana izany fananganana birao vaovao izany ny solombavambahoaka Rakotomanjato Rodin sy ny antoko Tiako i Madagasikara misy azy, nanolotra simenitra iray taonina. Izy no olompanjakana voalohany nanome tanana ny Kaominina ambonivohitra Imerintsiatosika mikasika izany. Nisaotra ny depiote sy ny Tiako i Madagasikara ny Ben’ny tanàna Andriambololonarivo Parisoa. « Ny fampandrosoana tsy hijerena loko politika fa rehefa miasa ny mpitondra dia tian’ny olona ho azy », hoy izy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.