Anisan’ireo solombavambahoaka nanisy marika manokana ny fampiasan’ny praiminisitra ny teny frantsay tamin’ny fanazavana nataony mikasika ny politika ankapoben’ny fitondrampanjakana ankehitriny teny Tsimbazaza omaly ny depiote Rakotomanjato Rodin avy any Arivonimamo.
Aminy dia tokony hatao mazava ny teny fampianarana ny zaza malagasy fa tsy ho azony ireny nolazain’ny praiminisitra ireny satria tsy misy mpampianatra teny frantsay mahay akory any ambanivolo any. Izahay ireto no azo ambara fa minisitra faha-2 eo ambany fiadidianao, hoy izy, raha nanolo-kevitra ny praiministra nivantana ary mahafantatra ny zava-misy sy ny tetikasa tokony hatao sy laharam-pahamehana any aminay ka tokony ho afaka mandray anay tsirairay avy ireto ianao fa dia hahazo tolo-tsaina matotra tsara mihitsy. Ny tantsaha any an-tanàna, hoy izy, tsy mahalala afa-tsy ny fandriampahalemana hahafahany mamokatra tsara, ny fanatsarana ny masomboly sy zezika hoentiny miasa ary ny resaka vidim-bokatra ara-drariny ka aleo haverina mihitsy ny FDL taloha fa nahitam-bokatsoa tokoa ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.