Nihaona tamin’ny vahoakan’ny Boriborintany faha-6 nahalany azy ny depiote Raherisoa Vololona voafidy teny an-toerana nanatanteraka ny tatitra fanaon’ny solombavambahoaka rehefa avy niatrika fivoriana teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena.
Nampahafantariny ny vahoaka tao Ambohimanarina omaly talata 12 janoary ireo lalàna nodinihana teny Tsimbazaza nandritra ny 2 volana ka lany ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana hampiasaina amin’ity taona 2016 ity izay fototry ny fivoriana. Teo koa ny nahalaniana ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibola fanampiny taona 2015. Nojerena nandritra izay roa volana nivoriana izay koa ny kaontim-pitantanana na « loi de reglement » taona 2009 ka hatramin’ny taona 2011. Nanampy izany ny nahalanian’ireo lalàna mikasika ny famatsiam-bola sy fampisamboram-bola amin’ny any ivelany ataon’ny firenena Malagasy. Ny farany dia ny nahalanian’ny lalàna mikasika ny famatsiam-bola 200 tapitrisa Ar ho an’ny distrika isanisany eto Madagasikara hoentina hampandrosoana ny faritra tsirairay avy ka tompo-marika ny solombavambahoakan’i Madagasikara rehetra izay hiaraka handinika ny laharam-pahamehana ao amin’ny misy azy miaraka amin’ny lehiben’ny distrika sy ny ben’ny tanàna ary ireo mpanolotsaina rehetra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.