Nanolotra solombodiakoho sy bodofotsy ho an’ireo zokiolona ary harendrina ho an’ireo ankizy tao amin’ny Distrikan’i Manjakandriana, ahitana ny Kaominina Alarobia,
Miadanandriana, Ambatomanga, Ambohitrolomahitsy ary Manjakandriana ny solombavambahoaka Rahantasoa Lydia voafidy tany an-toerana, tao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena teo. Amin’ny maha filohan’ny parlemantera vehivavy azy dia notolorany fanomezana ihany koa ireo vehivavy efatra voan’ny aretina mamany lava tao Manjakandriana. Tao Alarobia Ambatomanga manokana dia nisy hetsika fizahana maso maimaimpoana nokarakarainy mba hanamaivanana ny fividianana solomaso. Ny Ben’ny tanàna Antoine Erneste dia nanambara fa nanampy tamin’ny fahazoana rano fisotro madio sy niverenan’ny tsenabe izay anisany mampalaza ity Kaominina ity ny depiote Rahantasoa Lydia. Anisan’ny olana iraisan’ireo Kaominina dimy ireo ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ka nanambara ny solombavambahoaka fa hiezaka ny hanao izay hisian’ny tobin’ny zandarimaria izy mba ahafahan’ny tsantsaha mamokatra sy miaina ampilaminana. Nisafidy ny hanotrona ny faritra Manjakandriana Ramatoa solombavambahoaka tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena sady fetin’ny foloalindahy ny 26 jona teo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.