Itrangan'olana goavana ara-pananan-tany indray ny asa fanamboaran-dalana vaovao mandalo eny Laniera. Nanamafy izany ny solombavambahoaka voafidy teny Ambohidratrimo, Rabenirina Mamy.
“Fantatra fa misy titra fizakan-jo fananan-tany amin'ny anaran'olon-tsy fantatra mivoaka izao ary misongona ny zon'ireo vahoaka efa nanajary ara-dalàna nandritra ny 40 taona mahery teo. Hita amin'ireo titra ireo fa mahazo eo amin’ny 10ha tsirairay farafahakeliny ireo olona sy fikambanana tsy fanta-piaviana ireo”, hoy izy. Miady ny zony, noho izany, ireo vahoaka efa nanajary ary nahazo alalana tamin'ny fitondrana nifandimby, kanefa tsy nomena titra mihitsy na dia efa nangataka aza. “Manampy trotraka ny fahagagana ny fahalalana fa tao anatin'ny vanim-potoana nampihantonana ny famoahana titra amin'ny tany toa ireny no nivoahan'ireo titra vaovao ireo”, hoy hatrany ny depiote Rabenirina Mamy.
Ady madio eny anivon'ny Fitsarana no atrehina izao ary nampahafantarina ampahibemaso tamin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra imasom-bahoaka teny an-toerana no natao, ny herinandro lasa teo. Nanao antso avo niantefa tamin'ny tompon'andraikitry ny fananan-tany ny Solombavambahoaka Mamy Rabenirina tamin'io fotoana io ny mba hamerenana ny zon'ireo olom-pirenena nanajary ny tany ireo ary ny mba hampitsaharana amin'izay izao fomba ratsy fanodinana zo fananan-tany zary lasa fomba fanao eto Madagasikara izao. Miandry ny tohiny sy manara-maso akaiky ny fivoatry ny raharaha isika hahitana ny dingana manaraka, hoy ity olomboafidy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.