Politique

Depiote Nina Tsy hita tabilao ao Mahajanga


  • Alakamisy 03 Jolay 2014

Lanonana maromaro natao tao Mahajanga izay no tsy nahitana taratra ny solombavambahoaka Mahajanga I Ramatoa Rahantanirina Lalao na i Nina TGV izay lany nandritry ny fifidianana farany teo.....

Maro ny manontany mikasika an’ity solombavambahoaka ity ary misy mihitsy aza ny sahy milaza fa mety nisy zavatra tsy nety nataony ve no antony tsy mahahita azy eto an-toerana ? Raha tsiahivina dia tsy tonga nanotrona ny lanonana fametrahana ny solombavambahoaka namany dia i Nicolas sy ny fankalazana ny fetim-pirenena ny tenany ny 26 jona teo. Izy rahateo izay tsy mbola napetraka tamin’ny fomba ofisialy teto Mahajanga. Matetika dia eny amin’ny fahitalavitra no miseho sy milaza ny heviny ity depiote ny MAPAR ity ary faritra hafa indray no hanaovan’ity farany hetsika fanampiana. Voalazan’ny olona sasany ao Mahajanga fa nanjavona niaraka amin’ny antoko politika MAPAR ity kandida ity. “Midika ve izany fa miafina miaraka amin’ny antokony izy ?”, hoy hatrany ireo vahoaka. Tsy azo adinoina kosa anefa fa mbola maro amin’ireo vahoaka eto Mahajanga no tsy mbola mahalala ireo solombavambahoaka lany teto ireo, indrindra ity tsy hita tabilao ity. Andrasan’ny maro ihany koa ny fampanantenana nataony tamin’ny fampielezankeviny. Etsy an-kilany koa ny fametrahana azy amin’ny maha solombavambahoaka azy ary mba ho fantatry ny maro ihany koa izy ireo sy ny hitondrana ny hetahetan’ny mponina eto Mahajanga.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT