Politique

Depiote Nicolas sy Senatera Lylison Vaky tanteraka ny ady


  • Alarobia 03 Febroary 2016

Vaky ny ady eo amin’ny solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas sy ny senatera Lylison de René. Taorian’ny tafa nifanaovan’ity farany tamin’ny mpanao

 

gazety afak’omaly mikasika ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana amin’izao sy ireo mpanara-dia aminy mantsy dia nivoaka tamin’ny fahanginany ihany koa ny depiote Nicolas izay nanambara ampahibemaso fa tsy mety ireny fomba fitenin’ity senatera ity ireny. Sahiko ny mifanatri-tava aminy mivantana eo imason’ny mpanao gazety raha tena lehilahy izy fa tsy any ambadika no mitabataba, hoy izy. Na dia lany senatera aza mantsy ny kolonely Lylison dia nambarany fa azo faizina tsara raha misy tsy mety ataony, indrindra raha mitady hevitra hanakorontanana ny firenena indray nefa ny fanjakana efa miezaka mafy mitady vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Anisan’ny tena nanohana ity solombavambahoaka ity moa ny filazan’ny senatera Lylison fa tsy nandray anjara tamin’ny propagandy nandaniana ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Sofia akory ny minisitry ny atitany fa izy no tena lany vola aman-karena tamin’izany. Tena tsara fanahy anefa ny filoha, hoy ny solombavambahoaka Nicolas satria ny kolonely Lylison no anisan’ny nanaovany fangatahana voalohany indrindra ka tokony ho tsapany izany. Ankoatra izay manana dosie ihany koa ity senatera ity saingy iniana tsy jerena izany ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy.

Pati

                                                

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT