Politique

Depiote Nicolas Randrianasolo “Minisitra 2 mila esorina”


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Misy endrika fanakorontanana ao anivon’ny Antenimieram-pirenena misy anay ao, hoy ny depiote Nicolas Randrianasolo avy any Betroka naneho hevitra teny Antaninarenina ny talata 13 martsa.

  Misy ireo mpitarika anay mihevitra fa tokony hasiana fivoriana tsy ara-potoana faha-3 indray handinihana ny volavolan-dalàna mikasika ny fifidianana. Mahita anefa izahay fa tokony hohafainganina ny fandinihana an’ity volavolan-dalàna ity. Mangataka an’ireo parlemantera HVM ny tenako hiara-kiombon-kevitra amin’ny hanalana an’ireo mpikambana eo anivon’ny birao maharitr’ity Antenimieram-pirenena ity. Misy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta Malagasy ankehitriny manao fihetsika mampieritreritra manoloana ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena ka ilana fanoloana dia ny minisitry ny fizahantany sy ny minisitry ny mponina izay ambarany fa tsy tena mahafantatra ny zava-misy ifotony mahazo ny vahoaka mihitsy. Nasiany teny koa ny tokony hijeren’ny fanjakana ny fanendrena ambasadaoron’i Madagasikara any ivelany any mba ho olona tena hikaroka ny fampandrosoana marina an’i Madagasikara no halefa any fa tsy hitsangantsangana any an-tanin’olona any fotsiny. Voaresany manokana koa ny tokony hijerena ny tale jeneralin’ny tranompiritim-pirenena Malagasy am-perinasa izay voarohirohy amin’ny fanodinkodinana FIB na taratasin’omby nefa arovan’ny Katolika fatratra satria misy rohim-pihavanana amin’ny Arsevekan’Antananarivo. Fotoanany izao tokony hieritreretan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny hiantsoana an’ireo olona resy lahatra amin’ny praograma izay natolony rehefa voafidy ho filoha izy. Manao antso avo amin’ny HVM aho, hoy ny depiote Jean Nicolas, handinika an’ireo zava-misy voalaza ireo fa mpanampy anareo amin’izay hahasoa ny fanjakana ankehitriny izahay ka ambarako fa ny olona mankaloiloy ny vahoaka sy ireo olona tsy manjary dia tokony hoesorina tsy misy hatak’andro avokoa.

 

Ntsoavina Evariste                                   

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT