Mitohy ny asa-sosilahy ataon’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas tao amin’ny distrikan’i Betroka nametraka azy ho solombavambahoakan’i
Madagasikara ka tamin’ny fetin’ny faran’ny taona teo dia omby 5 sy vary 2 taonina ary zava-pisotro 1500 isa no natolony ho an’ireo olona sahirana sy zokiolona ary ireo voafonja ao Betroka tampon-tanàna. Mbola nampiarahana balahazo ihany koa aza izany ho an’ireto farany ireto. Nampita hafatra fohy tamin’ny mpanao politika Malagasy koa izy tamin’izany ka nilazany fa : “ Ampy izay ny fitaomana ny vahoaka hikomy sy hidina an-dalam-be, mila fitoniana sy filaminana ny fampandrosoana ny firenena izay iaraha-manana ity. Andao isika hifanome tanana amin'ireo mpitondra hantanteraka ny velirano napetrak’Atoa Filoham-pirenana tamin'ny vahoaka Malagasy iray manontolo, hoy izy, azo atao tsara ny maneho ny tanjaka ara-politika sy ny tanjakin'ny Antoko iray amin'ny alalan'ny fifidianana ary mbola ho hisy izany. Tsy vahaolana itsony ny fitondrana vahoaka hidina an-dalam-be hiaro ny tombotsoan'olona vitsy an'isa , fa ny firaisakina hanarina ny firenena no takiana amin'ny tsirairay ary aoka ho mpanohitra manaraka ny rariny , raha misy zavatra vita tsara dia miara-midera izany isika , raha misy zavatra tsy tomombana dia afaka kianina tsara izany izay no ataoko ankehitriny izao . Rehefa resy izahay mpanohana ny fitondrana teo aloha tamin'ny fifidianana dia tsy nitarika hanao fitokonana fa niaky kosa fa mahatoa resy dia nisy lesoka lehibe tao , ary ilaina fanarenana izany. Aoka mba ny tombotsoan’ny vahoaka tompon'ny fahefana no banjinina, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.