Tafaverina an-tanindrazana ny sabotsy 21 oktobra teo ny solombavambahoakan’i Madagasikara Randrianasolo Jean Nicolas voafidy tany Betroka rehefa avy nanatrika ny fivorian’ny parlemanta Panafrikana notontosaina tatsy Afrika Atsimo ny 03-19 oktobra lasa teo.
Amin’ny maha mpikambana ahy ao amin’ity parlemanta Panafrikana ity efa ho roa taona izao no hanatrehako tsy tapaka ny fivoriana any an-toerana (ry zareo no miantoka ny saran-dalana mandroso sy miverina) izay marihako fa misy ny fivoriana ara-potoana in-droa isan-taona tahaka ny aty amintsika ary misy koa ireo fivoriana tsy ara-potoana tsy latsaky ny 2 eo ho eo isan-taona koa. Tamin’ity fivoriana natrehana farany ity dia niompana tamin’ny fijerena ny zon’olombelona (droit de l’homme), zon’ny vehivavy ary ny zon’ny ankizy ny votoatin’ny fivoriana natrehana sy ny hijerena ny karaman’ireo tompon’andraikitra eny ifotony tena mifanerasera betsaka amin’ny vahoaka toy ny sefom-pokontany, ny mpampianatra ary ny mpitandro ny filaminana. Tokony hojerena manokana, hoy ny mpivory, ny amin’ity karaman’ity farany satria tsy matanjaka ny firenena iray raha tsy matanjaka ny fandriampahalemana ao aminy. Halefa any amin’ny UA na Fivondronambe Afrikana ny tatitra avy amin’ny firenena 54 mpikambana ao amin’io parlemanta Afrikna io ankehitriny. Tsy maintsy jerena manokana ireo vahoaka izay ireo sahirana no voarokiroky amin’ny fanonganam-panjakana miseho lava aty Afrika. Nasiana teny manokana tamin’ny fivoriana koa ny tranga Madagasikara, hoy ny depiote Nicolas, ka tapaky ny Panafrikana fa hampiana amin’ireo lafiny ireo ny Malagasy.
Mikasika ny fanaratsiana mianjady aminy eto an-toerana kosa dia nanambara ny depiote Nicolas fa tsy hamaly an’ireny aho fa ireo “adversaires” resy tamin’ny fifidianana nifanandrinana no mitarika an’ireny. Aoka izay manana « Dossier » mikasika ny zavatra tsy mazava nataoko izany hamoaka izany, hoy izy, « Aboahy raha misy » fa ny olona miasa no henjehana eto amin’ity firenena ity fa tsy misy olona mipetrapetra-poana voasoketa izany. Aoka ny vahoaka nifidy ahy no hitsara ny zava-bitako, hoy izy. Ny fanolorako fitaovana ny vahoakan’i Betroka avy amin’ny ampahana “indemnité” azoko amin’ny fivorian’ny parlemanta Panafrikana no tsy tantin’ny sasany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.