Politique

Depiote Nicolas Halatra ireny nataon’i Andry Rajoelina ireny ka tsy maharitra


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Na dia be aza no tokony hamaly an’ireny tenin’i Andry Rajoelina tamin’ny fahitalavitra amin’ireo tompon’andraiki-panjakana toy ny minisitra mpomba ny filoha Hery Rajaonarimampianina fa dia mahagaga fa ny tena ihany no tsy mahatsindry fo ka hamaly an’ireny fanambarana nataony ireny indray,

hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka. « Filam-boatsiary ny an-dRajoelina ireny teny nataony ireny ary niampanga tena izy fa tao anatin’ny fitondrana tetezamita notarihany no tena nanjaka ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena Malagasy nataony ary izay no tsy nifankahazoany sy ny filoha Hery Rajaoanarimampianina intsony satria fantatr’ity minisitry ny fitantanam-bola tamin’ny androny ity ny zava-nisy marina. Nilaza ho nahaloa ny trosantsika amin’ny any ivelany Rajoelina ary koa hoe nahavita zavatra maro. Mandainga izy fa halatra avokoa no nanaovany an’ireny ka tsy haharitra mihitsy. Tamin’ny andro nitondran’i Andry Rajoelina no nisy izany Remenabila izany sy nampirongatra mafy ny asan-dahalo nanarenana ny nosy. Mbola tamin’ny androny koa no nisy mpitsara novonoin’olona  izany sy niroboroboan’ny fanaovana kidnaping.

Ambarako etoana fa tsy menatra i Andry Rajoelina satria manina ny tongolon’i Egypta tamin’ny fanaovana ampihimamba ny fananam-bahoaka nataony. Izy no nanondrana boaderozy be indrindra. Ny vola azony tamin’ny famarotana ny fananam-bahoaka na ny vy tany Soalala, ohatra, dia tsy mba nisy nifody tamin’ny vahoaka tany ifotony akory fa kianja taty Antananarivo sy hopitaly manara-penitra taty koa no nahamaika azy. Izy mahay mandainga loatra amin’ny fampiasana ny serasera manavanana azy no tena tsy hitiavan’ny olona azy intsony ankehitriny. Izy sy ireo nanodidina azy no nanankarem-be avokoa fa ny 90 %-n’ny vahoaka Malagasy kosa mijaly fadiravovana.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT