Hatezerana ny an’ny olona teny Ambohidahy-Ankadindramamy nanoloana ny fihetsiky ny solombavambahoaka avy amin’ny vondrona MAPAR, Naivo Raholdina
. Omaly alahady 24 jolay tokony ho tamin’ny 7ora hariva, nisy fiara iray tafabahana tamin’ny lalana nolalovan’ity solombavambahoaka ity. Tezitra ingahy depiote ka nivoaka ary nofelahiny tehamaina ny mpamily. Ny fanampim-baovao no nahalalana fa polisy ilay mpamily voafelaka io saingy nanao fanamiana sivily. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Tetsy an-kilany, tezitra mafy ireo vahoaka nanoloana ny fihetsik’ity olom-boafidy ity ary nibahan-dalana sy niantsoantso fitsaram-bahoaka ary fandorana ny fiara nitondra azy. Voasakana ihany ny hetsika rehefa nanao fanelanelanana ny lehilahy lehibe iray voalaza fa rain’ilay polisy. Taorian’izay dia nisy mpitandro ny filaminana sy mpiaro manokana tonga nanaraka ny fiara nitondra an’ingahy depiote mandra-pahatonga tao an-tranony. Tsy tanteraka ilay fitsaram-bahoaka na dia efa tototry ny hatezerana aza ny mponina. Maro ny mpiara-belona eny an-toerana no maneho fa efa fomba fanaon’ity olom-boafidy ity ny manao tsinontsinona ny vahoaka. Ny vahoaka sy ny olom-boafidy dia tokony hahay hifanaraka sy hifampitsinjo saingy fizahozahoana no ataon’ity solombavambahoaka ity, hoy ny mponina. Mbola olana eto amintsika ny fanararaotam-pahefana ataon’ny olom-boafidy sasany ka mahatonga ny elanelana eo amin’ny entina sy ny mpitondra.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.