Politique

Depiote Naivo Raholdina Lasa mpamono afon’ny fitondrana


  • Alatsinainy 08 Jona 2020

Tsapa indray tato ato fa ampiasain’ny fitondrana hamono afo fotsiny ny Solombavam-bahoakan’ny Boriborintany faha-5 Naivo Raholdina.

 

 

 

 Ity farany izay efa atao filan-tsy mahita ary mpitolona hita ho mahafatra-po manohana an’ny filoha Rajoelina nefa hatreto tsy mety mahazo amboara mihitsy. Mahagaga ihany koa fa dia tena tsy mety fay ity Depiote mpanohana fitondrana tsy mety afak’olana ity. Hitam-poko sy hitam-pirenena mantsy fa efa mahamay ny raharaha politika ankehitriny ka na ny olona tsy nampoizina hipoitra intsony tahaka ny filohan’ny Asa Vita no Ifampitsarana (AVI) aza dia toa niseho vahoaka indray. Nivoaka tamin’ny fahanginany tokoa mantsy Atoa Norbert Lala Ratsirahonana izay tsy olona tsy very nandeha hatreto tamin’ny raharaha politika. Rehefa nangingina ihany koa ny Solombavam-bahoaka Naivo R. izay volom-boasary tsy mivadika ary tena mivavaka amin’ny filoham-pirenena mihitsy,dia mazoto mipoitra sy miteny etsy sy eroa indray izy tato ato. Tsiahivina anefa fa efa voakapoka am-parahatoka ary efa tsy niloa-bava intsony izy nanomboka tamin’ny nitsipahana azy tamin’ny ora farany tsy ho filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fotoan’androny. Atoa Hajo Andrianainarivelo izay nifanolana taminy no nahazo avara-patana ary tamin’izay dia nirona be tamin’ny asa sosialy Ingahy Depiote sy ny vadiny. Amin’izao fotoana izao anefa dia hita ho resy tosika ny fitondrana ary mipoitra daholo ireo fambara ratsy. Ireo teknisiana nafarana manokana avy any am-pita tsy mitsaha-mamoan-tsampona. Miala an’Ankatso dia Ambohidepona, lasa ny olan’ny « Panier garni » dia miditra indray ny « bonbon » ary mety hifarana resaka « cotelette » indray atsy ho atsy. Manoloana izany rehetra izany dia hita miaro be fahatany indray Atoa Naivo R. ary anisany mbola arovany mafy koa aza moa ny ataon’ny filoha ny amin’ny resaka Rova ankoatra ny ady tany izay hamatarana azy. Tsy mety fay mihitsy ity farany ary tsy mahatsapa mihitsy angamba hoe ataon’ny olona fitaovana sy filan-draha tsy mahita fotsiny !! fanina ny mpanara-baovao ary manontany tena hoe politikan’ny mpanara-drenirano sa politikan’ny tsy manakambo no ataon’Ingahy Depiote Naivo R ?

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT