Politique

Depiote mikasa hanongana praiminisitra Diso lalana, hoy ny ABA


  • Zoma 14 Febroary 2020

Ao anatina firenena demokratika isika ary lalao politika io mitranga eny amin’ny antenimieram-pirenena io, hoy ny filoha mpanorina ny antoko politika ABA, Dany Rakotoson,

 

 raha naneho ny heviny mikasika ny resaka fikasan’ireo depiote hanongana ny praiminisitra, Christian Ntsay, Ankehitriny. Nisy zavatra nangatahin’ireo parlemantera tsy notanterahin’ny filoham-pirenena. Ny ankamaroan’ireo mpanohana ny filoha koa tsy mitovy ideolojia. Ho an’ny antokom-bahoaka izao dia ny hanatsara ny fiainam-bahoaka no ideolojiany fa ny an’ny sasany dia fitadiavan-tseza. Rehefa tsy azony ny sitrapony dia manozongozona izy. Mandrora mitsilany ihany ireo depiote, izay IRD no maro an’isa, hoy izy, raha izany tokoa no mitombona, satria ireo no andrasan’ny filoha hiaraka hampandroso haingana ny firenena aminy. Tsy hadisoan’ny filoham-pirenena irery fa an’ny mpanao politika rehetra ny maha betsaka ny antoko politika eto ho tsy mitsangana amin’ny alalan’ny foto-kevitra. Hany ka lasa fahazarana, hoy ny fanazavany, ny mametraka teknisianina toy ny praiminisitra ankehitriny eo amin’ny toerana politika. Manjary tsy fampandrosoana loatra no ataon’ilay notendrena fa fanatanterahana baiko. Diso lalana ireo depiote mikasa hanongana ny praiminisitra satria raha mahatratra ny antsasa-manila izany sonia voalaza ho voahangona izany dia midika fa mpamadika azy izany ireo mpiaradia amin’ny filoha.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT