Politique

Depiote Michel Antsirabe I Tsy ny fisotroan-dronono no maika fa ny fahoriam-bahoaka


  • Sabotsy 09 Desambra 2017

Mitsipaka marin-drano ny fangatahan’ny solombavambahoaka fisotroan-dronono ny depioten’Antsirabe voalohany, Atoa Jean François Michel.

“Tsy ny fisotroan-dronono no mahamaika na ny fiara 4x4 fa ny fahoriam-bahoaka aloha”, hoy ny tenany nanamafy. Ho azy manokana dia nambarany fa mpiompy ny tenany ka afaka misotro ronono tsara ka tsy misy ilany izany. Ny hamahana ny olan’ny vahoaka no mahamaika toy ny vidim-piainana, fidangan’ny vidin’ny vary sy ny solika fa tsy tombontsoa manokana. Tokony hisy ny fepetra raisin’ny fanjakana amin’ny fanampiana ny tantsaha hampitomboana ny vokatra fa tsy vahaolana ny fanafaram-bary satria mamelona ny firenena hafa izany. Tokony hanana paik’ady mazava amin’ny fanampiana ny tantsaha na fanohanana manokana ny mpitondra fanjakana. Anisan’izany ny fizarana masomboly ho an’ireo olona mila fanampiana. I Madagasikara rahateo dia firenena mpamboly sy mpiompy ka ireo sehatra ireo no hifantohana amin’ny fanohanana mba ahavitan-tena ara-tsakafo. Isika indray no hanondrana fa tsy hanafatra lava ny vokatra avy any ivelany izany. Nokianiny ihany koa ireo mpandraharaha mamitaka ny tantsaha amin’ny fanaovana “Vary maitso”, izany hoe ireo mividy eny am-potorany ny vary mbola eny an-tanimbary amin’ny fanararaotana ny fahasahiranan’ny tantsaha, ka mangorona ny vary amin’ny vidiny ambany amin’ny fararano. Anisan’ny mpambotry ny firenena ireny ary ireo mpamongady izay manafina ny vary mba hamidy lafolafo kokoa amin’ny mpanjifa. Tsy toe-tsaina Kristianina izany ka aoka hatsahatra. Ankoatra izay, nambarany ihany koa fa tsy misy tokony hanomezana fiara ny solombavambahoaka satria tsy izay no nifidianan’ny olona azy. Heviny manokana moa ity nambarany ity fa tsy amin’ny maha olom-boafidy TIM azy akory.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT