Politique

Depiote Michel Ambalavato Tsy nanadino ny mpitolon’i Magro Antsirabe


  • Zoma 27 Jona 2014

“Tahaka ireo vahoaka Malagasy manerana ny nosy dia manan-jo hifaly koa noho ny Asaramanitra ny mpitolon’i Magro na dia eo aza ny fahasahiranana”, hoy ny solombavambahoakan’Antsirabe I Michel Ambalavato nandritra..

ny hetsika fizarana nofon-kena mitam-pihavanana tao amin’ny kianjan’i Magro Antsirabe ny Alarobia 25 Jona 2014 lasa teo. Omby mifahy iray no novonoina ho an’ireo mpitolona tsy tapaka tao an-kianja niampy vary, izay natao ho fanomezana amin’izao fankalazana ny fetim-pirenena izao. Nohamafisiny fa mbola tena ao anatin’ny firaisan-kina tanteraka ny mpitolona na dia eo aza ny fitadiavana ny harapaka ka izany no nanaovana izao hetsika izao no sady ho mariky ny fihavanana tena izy eo amin’izy ireo. Nohamafisiny fa tsy manadino ny kianja Magro ny tenany na dia efa depiote aza. Tsy mbola vita ny tolona dia ny fampodiana ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara. Mikasika ny fodian’ny filoha teo aloha ity ihany dia nanao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana misy amin’izao fotoana ny tenany mba tena haseho amin’ny asa ny fidradradradrana ny fampihavanana ka hisy vokatra mivaingana toy ny fampodiana ny filoha Ravalomanana sy ny sesitany politika sy ny fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny fankana sy ny fanokafana ireo orinasa potika nandritra ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, fa tsy atao am-bava fotsiny. Nambarany moa fa santatra am-bavarano ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana tao amin’ny Magro ity izay natokana ho an’ny mpitolona ihany fa mbola hisy hetsika ho fisaorana ny vahoakan’Antsirabe noho ny nametrahan’izy ireo fitokisana tamin’ny tenany. Marihina moa fa niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby tao amin’ity hetsika ity ny filoha Ravalomanana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT